<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>G.F. Root</author>
<hymn_number>570</hymn_number>
<title>Mafy ny alon-drano izao FFPM570</title>
<lyrics>[V1]
 « Mafy ny alon-drano izao,
 Sady maria no manindao,
 Nefa ny Tompo momba anao ;
 Moa ho kivy va ? »
 « Tsia, Jeso ato aminay,
 Izy hampifaly ny fonay ;
 Tsy mba ho kivy re izahay ;
 Izy no tokinay. »

[V2]
 « Maro no efa tola sy lao
 Noho ny alahelo izao ;
 Isan'ireny va hianao ?
 Moa ho kivy va ? »
 « Tsia, ..sns. »

[V3]
 « Amin'izao fiainana izao
 Tsy mba ilaozan-java-manjo,
 Nefa ao Jesosy, tokin'ny fo ;
 Moa ho kivy va ? »
 « Tsia, ..sns. »

[V4]
 « Raha ny Tompo aza tetý
 Nety ho faty tao Kalvary,
 Iza no tsy handefitra atý ?
 Moa ho kivy va ? »
 « Tsia, ..sns. »</lyrics>
</song>